Panina miely

Sarimihetsika maneho ny fielezan'ny panina iray eraky ny rafitra

Ny panina miely (anglisy: cascading failure) anatin'ny tambazotran-tsolosaina na rafitra dia fahasimban'ny singa iray mahatonga fahasimban'ny singan-drafitra hafa. Izany fahasimbana (na panina) izany dia mety mitranga anaty rafitra maro toa ny rafitra fitaterana herinaratra, tambazo-tsolosaina, rafitra fifanakalozam-bola, ny vatan'olombelona ary ny tetezana.

Ny panina miely dia mety mitranga rehefa misy simba ny ampahan'ny rafitra. Rehefa mitranga tokoa izany dia samy mizarazara ny vesatr'asan'ilay singa simba ireo singa hafa. Izany zavatra izany dia manome vesatr'asa tafahoatra ny mety ho an'ny singa tavela ka hahatonga azy ireo ho simba ihany koa. Hiely amin'ny singa tsy mbola simba ny fahasimbana mandra-pijanona ny rafitra manontolo.


From Wikipedia, the free encyclopedia · View on Wikipedia

Developed by Tubidy